INDRAY MIJERY

Nanatanteraka fihaonana ho fametrahana modely momba ny tandindon-doza mifototra amin’ireo singa fandrefesan’ny INFORM ny BNGRC sy ny mpiara-miombon’antoka avy amin’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana sy ny GIZ. Ho fanamafisana ny fahafahan’ny mponina miatrika ity paikady ity, izay novolavolaina niaraka tamin’ireo firenena mpikambana.
Tsy mbola midina ny vidin’ny anana sy ny legioma eny amin’ny tsenam-pokontany amin’izao fotoana. Alefa amin’ny kilao ny ankamaroan’ny legioma fa tsy misy ny antsinjarany, hoy ireo mpivarotra. Ho an’ny anana, 500 vao mahazo hatao fangaron-daoka. Ny saosety no mitobaka betsaka ka 500 Ar ny toko misy voany telo.
Nivolon’andro ririnina omaly, teto an-dRenivohitra. Nangatsiaka ny maraina hatramin’ny hariva. Nanjombona ny andro ary namoaka akanjo mafana avokoa ny ankamaroan’ny olona teny an-dalana. Mbola ao anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra anefa isika raha ny filazan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro.
Natao, omaly, ny famindram-pitantanana teo amin’ny tale teo aloha, Razafintsalama Vahinalahanja Eliane, sy ny tale vaovao voatendry hiandraikitra ny fikarohana sy ny haivao (DRI), Dominique Volaravo Josie. Notarihin’ny SGny minisiteran’ny Fampianarana ambony izany. Nanambara ny tale vaovao fa hanohy ny ezaka efa nisy amin’ny fanatsarana ny lafiny fikarohana.

Partager sur: