Noraisina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny Soanala Ambatobe ireo 30 mianadahy, hanaraka fiofanana any amin’ ny Foibem-pirenena fampiofanana ho teknisianin’ny ala (CNFTF) Angavokely Manjakandriana. Haharitra 18 volana ny fiofanana harahin’ireo ho teknisianin’ny ala, ary hanampy isa ny mpianala any anivon’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd).
Nilaza ny minisitra Fontaine Max Andonirina fa « paikady noraisin’ny minisitera ny hampitomboana isa ireo mpianala amin’ny alalan’ny fampiofanana mitohy (formation continue). Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny andry telo lehibe napetraky ny filohan’ny Repoblika : loharanon-karena mifototra amin’ny olona ; fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ny toekarena ; fahaiza-mitantana ».
Hisy andiany, ahitana 30 hafa ihany koa ho raisina hanampy ireo 30 ireo. Amin’ny 15 marsa 2024 ho avy izao ny fara-fandraisana ny antontan-taratasy hahafahana mifaninana amin’ izany.
Njaka A.