Hita faty, nihantona tamin’ny fametahana lambam-baravarana tao an-tranony ny teratany thaïlandais iray. “Ahina ho namono tena noho ny olana ara-pitiavana izy”, hoy ny zandary.
Zava-doza! Teratany thaïlandais iray, miasa amin’ny orinasa lehibe ao Toamasina no hita faty tao amin’ny efitranony. Nifatotra tady ny tendany, nihantona tamin’ny hazo fametahana lambam-baravarana izy. Ny mpiambina no nahita azy ka nampandre haingana ny tomponandraikitra ao amin’ny orinasa. Nampandre ny zandary ireto farany mba hanao fitiliana ny razana. Efa ny 27 febroary maraina lasa teo no nitrangan’izany, saingy notazonin’ny mpiara-miasa aminy ho tsiambaratelo noho ny tranga niseho tamin’ny toerana saro-pady.
Hatreto tsy mbola fantatra mazava ny antony nanosika azy namono tena. Raha ny tsiliantsofina avy amin’ireo mpiara-miasa aminy, nisarahan’ny sakaizany izay teratany thaïlandaise monina any Thaïlande izy ka tsy zakany. Zandary miandraikitra ny fikarohana heloka bevava ao Toamasina no misahana ny fanadihadiana. Nanamafy ny fisian’ny fanambarana nataon’ny mpiasa izay ireto farany. Na eo aza anefa izany, ny fanadihadiana ataon’ny zandary no mamaritra ny marina rehetra momba azy sy ny zava-niainany.
Araka ny angom-baovao nataon’ny mpanao gazety, mbola eto an’Antananarivo ny razana. Efa eo am-pikarakarana ny antontan-taratasy rehetra amin’ny fampodiana azy any an-tanindrazany ny orinasa iasany.
Sajo