Mandalo an-tanindrazana ! Lany avokoa ny tapakilan’ny seho voalohany hataon’i Niu Raza. Hisy kosa anefa ny seho faharoa, noho ny fangatahan’ireo mpankafy azy.
“Na izaho aza tena tsy nanampo! Mahafaly foana ny maheno hoe lany avokoa ny tapakila. Tsy tokony hijanona maharitra aho, saingy nahita vahaolana ihany mba hanaovana seho faharoa, satria maro ireo nitaraina tsy nahatratra ny tapakilan’ilay amin’ny alahady intsony”, miaraka amin’ilay tsikiny tsy miala imolotra iny, no nanaovan’i Niu Raza ny fanambarana, omaly, tetsy amin’ny Radisson Hôtel Ambatonakanga. Vao herinandro taorian’ny namoahana ny tapakilan’ilay seho hotontosainy ny alahady 17 marsa izao, etsy amin’ny CCEsca Antanimena dia efa lany izany. Hisy, araka izany, ny seho faharoa ny alahady 24 marsa izay manomboka amin’ny 3 ora ary ao amin’ny CCEsca.
Manana ny hoaviny
“Nisy ny vina mitovy teo amin’ny mpanakanto, sy ny mpikarakara ary ny Telma. Samy nahatsapa fa manana ny hoaviny ny mozika malagasy, indrindra ny an’i Niu Raza, ka hanohana amin’ny fanatanterahana ny seho roa izahay”, hoy ny nambaran-dRandrianjatovonarivo Henintsoa, tomponandraikitra avy ao amin’ny Telma.
“Tsy hitovy tanteraka ny seho roa. Misy fanovana eo amin’ny fandaharana ny hira sy ny seho an-tsehatra, afaka mbola miverina mijery izay tsy afa-po amin’ny seho voalohany”, hoy hatrany i Niu Raza. Tsy lany anatin’ny fampisehoana ora roa mahery rahateo raha ny hiran’ity malagasy mpanakanto fanta-daza sy monina any Etazonia ity.
Ireo tanora mpitendry matihanina efa mpanaraka azy ihany no hiaraka aminy amin’ny fampisehoana roa. Nampiaiky izay nanatrika ny seho tamin’ny taon-dasa ny talentan’izy ireo. “Mpitendry hafa saingy malagasy ihany no manaraka ahy rehefa any ivelany. Hafa mihitsy hoe Malagasy no mamoaka ilay mozika malagasy”, hoy hatrany izy. Anisan’ireo hanafana ny “Festival Antsika Jiaby” izay hatao any Frantsa i Niu Raza, aorian’izao fandalovany aty Madagasikara izao.
Zo ny Aina