“Viavy Film Festival”: fantatra ireo sarimihetsika hifaninana

Nampahafantarin’ny tomponandraikitry ny “Viavy Film Festival”, omaly, ireo sarimihetsika voafantina hiatrika ny andiany voalohany amin’ny fifaninanana. Miisa 12 izy ireo. Ny 15 marsa 2024 no hi­fan­dimby handeha eny amin’ny Canal Olympia Andohatape­naka ny horonantsary. Mari­hina fa sarimihetsika nosoratana sy novokarina ary notontosaina vehivavy no mandray anjara. Tanjona ny hanome sehatra bebe kokoa ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny sarimihetsika sy ny hanomezana tosika azy ireny.
Amin’ny ankapobeny, mi­tantara ny zava-misy iainana sy ny andavanandrom-
piainan’ny vehivavy ireo horonantsary voafantina. Anisan’ izany ny “Diary” an’Andriana­rin­jato Avofanahy, “Marche” an-dRo­bin­son Roxane, “It Starts within” an-dRanaivoari­mana­na Vatsisoa Soniah, “Petite Melody” an’Andriari­man­jaka Dina Nomena, “Hidy” an’Andrian­tsileferintsoa Rova, “Avy eo!” an’Andrianimerina Hasi, “Porn raped me” an’i Jamina Canicave, “Sous silence” an’i Mazigna Barros, “Why are we awake” an’i Rafali Nya, “Soritra” an-dRandrianarivelo Mino, “Wanna go back” an’i Kuro Mi, “Les bouitelles sont à la mère” an-dRamarofahitra Ida Judicia.

Lin

Partager sur: