Zandry Gasy eny amin’ny No Comment Bar Isoraka. Taorian’ilay seho lehibe voalohany ny 3 marsa teo, manome fotoana ireo mpankafy indray ry zalahy anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Sehatra ho an’ny ba gasy sy ny hira vokatry ny tany indray ny ao amin’ity toerana efa mahazatra ireo mpankafy mozika ity, anio. Saika hiverenan’ny Zandry Gasy avokoa ireo hira nalahany tamin’ny seho voalohany, mandritra izany.
Amin’izao volan’ny teatra izao. Ny asa manodidina ny teatra indray no resahina ao anatin’ny « Ensemble le rdv, metiers culturels », iarahana amin’i Poety Rebely. Anio, eny amin’ny CGM Analakely no hanatanterahina ny hetsika. Hetsika efa fanaon’ny CGM isam-bolana izy ity ary matihanina maro eo amin’ny tontolon’ny zavakanto no mandray anjara amin’izany.
Nisy ny fampahafantarana ny ny Hiragasy, tany Guadeloupe, nandritra ny fampisehoana poezia, natao tany an-toerana. Ranaivoarison Rojo Fenotina, avy amin’ ny Tarika Ramilison Besigara zanany no nitondra ny sora-kanto momba ny hiragasy tao anatin’izany. Teo ihany koa ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’ny nosy roa tonta.
Hanatanteraka atrikasa momba ny fampitana hafatra amin’ny alalan’ny feo, ireo mpampianatra sady mpikaroka momba ny mozika, eo anivon’ny foibe fikarohana iadidian’ny Zanabaliha. Anisan’ny fandaharam-potoana amin’izany ny fomba nampiasan’ny Malagasy ny zavamaneno ho fitaovana hoenti-manampy amin’ny fanabeazana sy fitaizana. Hotontosaina eny amin’ny Lycée Privé Daniel Andravoahangy Ambony izany, ny faran’ity herinandro ity.