Nanakoako indray ny hiram-pirenena, tao Accra Ghana, omaly, nandritra ny fifaninanana teo amin’ny taranja Judo, ny andiany faha-13 ny lalao Afrikanina. Nahazo medaly volamena Rasoanaivo Razafy Laura, sokajy latsaky ny 70 kg.
Noporofoin’i Laura indray ny maha sangany azy eto Afrika, nandritra ny ady natrehany, omaly. Tsy nisy afa-bela nanoloana azy ny mpifanandrina taminy rehetra, nanomboka tany amin’ny ampahefa-dalana hatramin’ny famaranana. Tamin’ny alalan’ny Ippon, segondra vitsy niakarana an-tsehatra no nandrombahan’ity judokas malagasy ity ny fandresena, nanoloana an’i Zita Ornella Biami, Camerounaise. Raha fintinina ny ady natrehany talohan’ny famaranana, nahazo ny fandresena tamin’ny Wazari, i Laura, teo amin’ny manasa-dalana, nanoloana ilay teratany Toniziana, i Maram Jimour. Mbola Ippon ihany koa no nanilihany ilay teratany Egyptiana, efa nifanandrina taminy matetika, i Farida Magdy, teo amin’ny ampahefa-dalana. Tena tsara ary tsy nisy lesoka ny lalana nodiavin-dRasoanaivo Razafy Laura, tamin’ity lalao Afrikanina, andiany faha-13, raha ireo vokatra ireo. Tsara ny fanomanana, raha ny nambarany ary efa nivonona ny hitazona ny anaram-boninahitra izy. Ankoatra izay, nahazo ny medaly alimo ihany koa, Razafindrakalo Natacha, sokajy latsaky ny 48 kg, vehivavy, teo amin’ny taranja Judo. Raha hiverenana ny dingana natrehany, nahazo ny fandresena nanoloana an’i Sanfo Alimata (BUR). Resin’ilay Toniziana, i Bedioui Oumamia kosa izy teo amin’ny ampahefa-dalana saingy naharesy ilay Botswanais, i Babutsi Botho tamin’ny ippon ka niady medaly alimo. Ilay teratany Egyptiana, i Salem Noura no nifanandrina taminy ka resiny tamin’ny ippon ihany koa. Tafapetraka ho laharana fahatelo, araka izany, i Natacha ka nisalotra ny medaly alimo. Nambaran-dRazafindrakalo Natacha fa afa-po izy tamin’ny vokatra azony na dia somary diso fanantenana kely tamin’ny faharesena aza. Nohamafisiny fa mila ampitomboana ny kotrana satria tsapany ho latsaka kely mihoatra ny mpifanandrina taminy ny tanjany, saingy nanatombo izy teo amin’ny teknika, araka ny fanazavany hatrany. Medaly volamena 4 izany hatreto no eo am-pelantanan’i Madagasikara, amin’ity lalao Afrikanina ity. Mbola mitohy kosa ny fifaninanana ho an’ny Malagasy atleta amin’ny taranja hafa.
Mi.Raz