SOMBIM-BAOVAO

Vokatra tsara no azon’ny solontena malagasy, niatrika ny fifaninanana “Open International de Saint Denis”, taranja Judo, natao tany La Réunion, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo medaly alimo iray avy, ny judokas malagasy roa vavy, i Colline sy i Sarah.

Hatao ny 16 sy 17 marsa izao eny amin’
ny ANS (Académie Nationale du Sport) Ampefiloha, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, sokajy jeunes, taranja lomano. Hisy ihany koa ny fifaninanana “50m – Nage libre”, hisokatra ho an’ny rehetra amin’io fotoana io.

Hotontosaina any Antsirabe, ny 27 avrily hatramin’ny 4 mey izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja volley ball, sokajy U14 hatramin’ny U20. Efa eo am-pamitana ny fifaninanana rezionaly avokoa amin’izao ny ligim-paritra tsirairay.

Hiditra amin’ny lalao ampahavalon-dalana, anio, ny fifaninanana “Smatchin”, taranja basikety, andiany faha-10. Hotanterahina rahampitso ny ampahefa-dalana amin’izany. Ny sabotsy 16 marsa kosa ny lalao manasa-dalana ary ny alahady 17 marsa ny famaranana.

Partager sur: