Maromaro ireo sefo distrika nesorina amin’ny toerany tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Anisan’izany ny distrikan’Ambohidratrimo, Betafo, Ambilobe, Port Bergé, Ifanadiana, Iakora, Betroka ary i Miandrivazo.
Tanjon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka amin’ny 100 andro ny hampiakarana hatrany amin’ny 50% ny fangatahana fotoana hanaovana pasipaoro amin’ny alalan’ny internet. Efa maherin’ny 21% ireo mila pasipaoro manao ny fangatahana amin’izany ankehitriny, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra.
Manentana ny olom-pirenena rehetra ny Ceni fa mbola manana 20 andro amin’ity volana marsa ity, hanamarinana ny mombamomba azy. Eo koa ny fanaovana fanamarihana raha misy diso ny voasoratra ary hitondra fitarainana raha tsy voasoratra anaty lisitra mihitsy.
Mihisatra ny fanendrena ireo sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Anisan’ny olana ny toerana hiasana sy ny tena andraikitra hosahanin’izy ireo. Eo koa ny fandaminana ny asany mba tsy hifampitsabaka na hifangaro amin’ny an’ny minisitra.