Tsemboka alohan’ ny mievoka: Saro-piaro amin’ny tsy azy ny Malagasy

Nametrahan-Janahary lova sarobidy ny Malagasy sy i Madagasikara. Ny mahavariana, anefa, fatra-pilingilingy amin’ny fampiasana ny an’ny hafa izy ireo. Mivolon-ko tompony. Mpanao indran-draikitra… Misonenika amin’ny tsy azy. Saika tratran’io tranga io ny ankamaroan’ny sehatra sy ny fiarahamonina manontolo.

Manana ny antsa, kalo, batrelaky, salegy, sns, ny hira malagasy, saingy, tsy manana faka matanjaka ao amin’ny Malagasy noho ny fanaovana tsinontsinona azy ireny. Zara raha heno na hita any amin’ny Radio sy ny televiziona. Tsy ahitana fampisehoana eny an-tsehatra loatra. Na ny mpamorona azy ireny aza nanjary nalaindaina mampiseho ny sanganasa vitany.
Ny trano teo amin’ny Malagasy, mitodika mianandrefana. « Efa nilaozan’ny toetrandro izany fa izay tany misy eo, afaka hanorenana avokoa », hoy ny sasany. Nanjary nianatsimo varavarana ny Malagasy. Tsy telozoro intsony koa ny tafo fa fisaka na boribory. Mirehareha ery fa nahavita trano maoderina mitovy amin’ny any Andafy (Andafy: andafin’ny Riaka/ ivelan’i Madagasikara).
Manana ny fomba fitafiny na fiakanjony ny Malagasy. Takonana ireo faritra saropady sy sarobidy rehetra. « Aza miraharaha izany fa izay hanarahanareo lamaody atao », hoy ny ray aman-dreny sasany. Rovitina ny pataloa. Aseho ny foitra… Ireo nafenina hatramin’izay, hampoitra avokoa amin’izay mba ho tahaka ireo tanora any Andafy!
Maka ny tsy sahaza, nanjary venjivenjin’olona
Ny lamina voajanahary ihany no sahaza ny Malagasy. Ampifanarahina amin’ny vanim-potoana iainana izy ireny, ka tsy avela ho rava ny fototra. Raha ireo no tsy voatandrina, manjary venjivenjin’olona ny Malagasy. Tsy hanana izay tanin-drazany intsony. Tsy hifampiresaka amin’ny fiteniny intsony. Tsy hahalala ny olom-padiny. Tsy mahafantatra intsony ny hasina ananany…
Satria, maka ny tsy azy, mangalatra. Lasa fiarahamonina mivelona amin’ny halatra sy soloky ny an’ny Malagasy. Ambonin’izay, ny azy tsy ampiasainy, trandrahina sy higalabonan’ny hafa (vahiny). Ny Malagasy mahafantatra tsara ny tody: mangalatra ny an’ny vahiny izy ireo (Malagasy) ka mba hangalaran’ny vahiny ihany koa !
… Ny halatra rahateo, tsy mahasoa, araka ny fahendrena malagasy. Tsy mahagaga raha mitana ny laharana voalohany avy any amin’ny farany amin’ny firenena mahantra indrindra eto ambany masoandro i Madagasikara !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: