Gadona rock sy metal: hiverina an-tsehatra ny Mania

Efa tany amin’ny taona 1997 tany ho any no niforona ny tarika. Teo foana, saingy nisy fotoana tsy hita sy tsy re, noho ny antony maro. Na­namarika iny taona 2023 iny ny fivoahan’ny hira sy rakikira “Ianao ihany” ho an’ny tarika Mania, izay anisan’ireo voafantina hofidina nandritra ny “RDJ Mozika 2023”, tao amin’ny sokajy Rock. Nanainga ny fiverenan’ny tarika an-tsehatra ihany koa izany, izay hanomboka ny alahady 17 marsa izao.

Manome fotoana ireo mpankafy ny metal etsy amin’ ny No Comment Bar Isoraka ny tarika Mania, hampiainan’izy ireo indray ny hira taloha sy ireo nohavaozina. Tsy izy rehetra anefa, satria efa eo am-panomanana ny seho goavana ankalamanjana iha­ny koa ry Did’s sy ny tariny, atsy ho atsy. Nahitam-piovana ny mandrafitra ny tarika, izay hiatrika ny tohin’ny lalana: Lova (feo), David (gitara), Hanitsy (Gitara), Ranja (vata maroafitsoka), Fred (amponga maroanaka) ary i Did’s (gitara beso).

Zo ny Aina

Partager sur: