« Dis-moi dix mots »: hampahafantatra ny teny frantsay

Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antana­narivo (AFT) Andavamamba, ny 19 marsa 2024 hatramin’ny 29 marsa 2024, ny « Dis moi dix mots ». Fampirantiana amin’ny lafiny fampianarana sy fanabeazana, indrindra eo amin’ny tontolon’ny teny frantsay. Hetsika fanaon’ny AFT isan-taona izy ity. Tanjona ny hampivelarana sy hampahafantarana bebe kokoa ny teny frantsay, indrindra ho an’ireo tanora.
Ambohipihaonan’ny mpisehatra eo amin’ny teny frantsay indray ny eny an-toerana, mandritra ny folo andro, ao anatin’ny “Dis moi dix mots”. Somary miavaka amin’ny fampirantiana mahazatra izy ity. Misy ny teny hitondran’ny tomponandraikitra fanazavana ny heviny sy ny dikany ary ny fampiasana azy. Ao anatin’ny fanentanana sy kilalao tanteraka anefa no hanaovana izany. Miisa 10 ireo teny ireo. Misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika ary ezaky ny tomponandraikitra, tamin’ity andiany ity, ny fampirantiana ho azon’ny sokajin-taona rehetra.

Lin

Partager sur: