Fampiroboroboana ny zavakanto: mahaliana ny ankizy sy ny tanora ny hosodoko

Ny talenta, efa eo. Tsy ampy anefa fa ilaina koa ny manatevina ny teknika amin’ny alalan’ny fakana traikefa amin’ireo efa mpanao hosodoko. Maro ireo ankizy sy tanora no liana sy miditra amin’ity zavakanto ity.

Seha-kanto iray ahitam-pivoarana ny hosodoko. Mihamaro mpankafy iza­ny na dia mbola misedra olana aza ny eo amin’ny tinady. Tsapa nandritra ireo atrikasa fampianarana sary sy hosodoko notontosain’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina (Ofnac), fa maro ireo ankizy sy tanora liana amin’izany. Tsy liana fotsiny fa vonon-kiroso hitrandraka ny talenta efa ao aminy izy ireo. Ho an’ny eto Anala­ma­nga, nisy ny fampiofanana ireo ankizy sy tanora tetsy amin’ny Ivokolo Anakalely, izay niantsorohan’ireo mpanao hosodoko efa manana ny lazany avy ao amin’ny Association des artistes plasticiens de Mada­gascar (AAPMCAR). Mpia­natra maherin’ny 50, avy amin’ireo sekoly samihafa no nanotrona sy nampitombo ny fahaiza-manaony momba ny sary sy ny hosodoko, nandritra izany.
Mpianatra maherin’ny 30 kosa no nandray tombom-pa­halalana sy nizaran’ireo mpanao hosodoko ny traikefany tany Toamasina. Notontosaina tao amin’ny Mozea Vavitiana ao Ampasamizava, taorian’izay, ny fampirantiana ny sanganasan’ireo ankizy, izay azo notsidihan’ireo manam-pahefana nandritra ny fanamarihana ny Andron’ny 8 marsa lasa teo.
Tsiahivina fa manana toeram-pampirantiana hosodoko sy sary ireo Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera isam-paritra. Toa izany koa ireo fotodrafitrasa hafa tantanin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, toa ny Galerie d’art Raparivo, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. Ankoatra ny fampiofanana ireo taninketsa, anisan’ny ezaka lehibe ny fandrisihana ny fanjifana ny hosodoko vita Malagasy eto Madagasikara. Misy ireo fampirantiana sy hetsika goavana, toy ny “Hosotra” sy ny “Iray volan’ny hosodoko”, kanefa mbola tsy ampy izany. Ampirisihina, araka izany, ireo mpanakanto mpanao hosodoko, hivelatra bebe kokoa mba ho fidiram-bola azo antoka ny kanton’izy ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: