TARATRY ny KANTO

Nate Tex – Piment Café Behoririka. Sambany tao anatin’ny taona maro! Tsy dia mpanao “cabaret” firy i Nate Tex, kanefa nisafidy ny Piment Café Behoririka izy, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hamerina indray ireo hira nankafizan’ny maro azy, hatrany amin’ny “Mahatalanjona”, “M’Fly away”, sns, hatramin’ireo nivoaka faramparany, hamerina ny lazany indray ity mpanakanto ity.
« Revy Lôlô sy ny tariny » – Cemess Fiadanana. Nisesisesy izy ity tato ho ato, kanefa manaraka ny filan’ny mpankafy ihany izany. Manome fotoana, anio manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina, indray i Benny, Bebey ary i Nini. Hiara-dalana amin’ny asa sosialy izany, satria seho natao ho tolo-tanana, entina hanampiana ny fitsaboana an’i Tiantsoa.
Tanterahina anio, ao amin’ny Alliance française d’Antsirabe, ny “Run Mada”. Hetsika ara-javakanto iangalian’ny Malagasy mpanakanto sy ny avy atsy La Réunion. Ho hita mandritra izany i Faragasy eo amin’ny fitendrena percussion, Aurélie Lauret eo amin’ny hatsikana, Eat My Butterfly eo amin’ny fikosehana kapila ary Na Hassi eo amin’ny Slam.
Hanafana ny sehatra eny amin’ny Le Garage Antsahavola, indray i Bolo, anio hariva manomboka amin’ny 9 ora alina. Tsy miova amin’ny mahazatra fa ny nahafantarana azy hatramin’izay no ho hita ao. Anisan’izany ny “Sipa manidina”, “Vatabe”, “Maso­nalina”, “T”. Ezahina ihany koa anefa ny hampihanoka ny mpankafy amin’ireo hira vaovao, raha ny teniny.

Partager sur: