Tafakatra 6 000 Ar ny kilaon’ny siramamy mavokely eny amin’ny mpaninjara, raha 5 000 Ar izany, ny herinandro lasa. Midangana koa ny vidin’ny legioma, satria hamidy 6 000 Ar ny kilaon’ny karaoty, izay tsy mbola nisy toy izany hatramin’izay. 6 000 Ar koa ny kilaon’ny tongolobe eny an-tsena.
Hanofa fiaramanidina roa vaovao amin’ny orinasa ACIA-Aero Leasing ny Madagascar Airlines. Mandeha ny fifampiraharahana hanatanterahana izany, ka anisan’ny dingana mialoha ny hanaovana sonia ny handefasan’ny fanjakana malagasy vola, hatao antoka (garanties souveraines).
Hiara-hiasa i Madagasikara sy ny Emirats Arabes-Unis momba ny hetra, ho tombontsoa iombonan’ny firenena roa tonta, hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Ao anatin’izany ny lafiny toekarena, ny diplomatika, indrindra ny hetra. Fitaovana iray mahomby hisorohana ny « double imposition » izay singa lehibe amin’ny fampiasam-bola izany.
Tafapetraka ny tariby kely voalohany hitarika ny tariby lehibe hitondra ny “cabine” miainga amin’ny milina eny amin’ny gara amin’ilay fitaterana an-tariby (TPC). Drône no ampiasaina hanatanterahana ny asa, ialana amin’ny fanelingelenina ho an’ireo trano lalovan’ ny TPC.