Nifanakalo hevitra sy nifampizara vaovao tamin’ireo mpisehatra politika ny eo anivon’ny Ceni, omaly, teny Alarobia. “Natao izao mba hananana fomba fijery mitovy amin’ny paikady sy ny fampiharana ny lalàna amin’ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsene. Nanteriny fa natao hampanjakana ny demokrasia koa izany.
Niofana sy nanao atrikasa momba ny
fandriampahalemana sy ny haitarika ny Justice et Paix, any amin’ny diosezin’i Morondava. Anisan’ny hiompanan’izany koa ny fanaraha-maso ny fifidianana depiote, hatao ny 29 mey ho avy izao.
Mangataka ny haha kandidà depiote
an-dRajaonary Sylvestre na i Côcô ireo fikambanana maromaro ao Toamasina. Nambaran’izy ireo fa afaka hitondra ny feon’ny vahoakan i Toamasina izy. “Marary ity tanàna ity… Avoty i Toamasina fa vonona hanohana anao izahay”, hoy ireo, omaly.
Niompana amin’ny andraikitra sy ny iraka tanterahin’ny Arai ny fihaonana teo amin’ny tale jeneraly, Rasoloharimanana Aimé sy ireo ekipan’ny Birao miady amin’ny kolikoly aty Afrika Atsinanana sy ny avy amin’ny Firenena mikambana (UNODC), i Francesco Checci. Natao tetsy Ambohijanaka izany ka niresahana ny ady amin’ny kolikoly.