Tontosa omaly ny fizarana fisotroan-dronono, ho an’ireo mpamorona zokiolona, mpikambana ao amin’ny Omda. Miisa 168 amin’izao fotoana ireo mpanakanto mihoatra ny 60 taona, izay misitraka izany. Isaky ny efa-bolana no mandray ny fisotroan-dronony ireo mpanakanto, ka arakaraka ny fotoana nampiasana ny sanganasan’izy ireo ny tahan’ny vola raisina.
« Revy Mahaleo » Etsy Antsahamanitra. Hanao ahoana indray ny seho ? Samy mangitakitaka miandry izany avokoa ireo mpankafy. Manome fotoana azy ireo rahampitso tolakandro, etsy Antsahamanitra i Dama sy i Bekoto ary ireo taranaka. Niezaka nanomana fotoana maharitra ry zalahy hanatsara ny tolotra ka hamelo-maso ny sanganasan’ny Mahaleo. Ho hita eo ny fivoakany.
Haneho ny voka-pikarohana nataony momba ny fitendrena orga sy synthétiseur mandritra ny fotoam-pivavahana ao am-piangonana i Tantely Ramaromiantso. Anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny Ekar Masimbavy Anne Anjomakely no hanatanterahiny izany. Hetsika karakarain’ny Fikambanan’ny katolika mpitendry zavamaneno eto amin’ny arsidiosezin’Antananarivo.
Hitohy anio eny amin’ny IFM Analakely, ny hetsika “Temps Fort Théâtre”. Handravaka ny hetsika amin’ity anio ity ny valandresaka iresahana ny vontoatin’ny teatra. Eo ihany koa ny fampisehoana maro. Anisan’izany ny hiarahana amin’ny Compagnie Miangaly Théâtre. Eo ihany koa ny iarahana amin’i Lamine Diara, avy any Frantsa.