Notokanana omaly, tetsy amin’ny Société Malagasy de couverture (Somacou), Ilafy, ireo milina avo lenta fanodinana lamba mandeha amin’ny herin’ny masoandro. “Tanjona ny hanangana sehatra feno mahakasika ny famokarana lamba eto Madagasikara”, hoy i Jean-Baptiste Malsch, talen’ny orinasa Somacou. Tafiditra ao anatin’ny politikan’i Madagasikara ny fampiasana ny angovo azo havaozina tahaka izao. “Manampy sy manosika ny fanjakana ary ahafahan’ny olona manerana ny Nosy manao zavatra tahaka izao ihany koa”, hoy ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Olivier Jean-Baptiste. Nilaza izy fa manampy betsaka ny famokarana eto an-toerana sady manaja ny tontolo iainana ao anatin’ny fampiasana ny angovo madio sy azo havaozina ihany koa izy ireo. Tena manan-danja eto Madagasikara ny sehatry ny famokarana lamba na dia mbola any ivelan’ny Nosy avokoa aza ny ankamaroan’ny akora ampiasaina. Miara-miasa amin’ny mponina any amin’ny faritry Toliara ny orinasa amin’ny famokarana hasy.
Mandalo dingana maro ny famokarana lamba eo anivon’ny orinasa. Eo ny fanodinana ny kofehy, tricotage, fanenomana, fandokoana, ennoblissement ary fanatsarana.
Mino