VAOVAO TAMBATRA

Ny faharanitan-tsaina artifisialy sahaza sy tomponandraikitra ho an’ny mpanjifa, io ny lohahevitra noraisina nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa, omaly. Samy nitondra fanazavana mahakasika izany ny tomponandraikitra samihafa. Nambarany fa zon’ny mpanjifa ny hahafantatra sy hisitraka zavatra tsara.

Mahasarika mpizahatany eto Madagasikara ny faritra atsimon’ny Nosy noho ireo karazanjavaboahary ananany. Toerana anisan’ny be mpitsidika ny ao Isalo, Makay, Anakao sy ny manodidina. Ampahafan­tatra ny tolotra misy any an-toerana ny hetsika tsenaben’ny fizahantany etsy Antaninarenina.

Miisa 27 ny teknisiana any amin’ny DRAE Vakinankaratra nanaraka fiofanana momba ny fomba fiasa SHEP, ny 27 febroary hatramin’ny 1 marsa teo, tany Antsirabe. Tafiditra ao anatin’izany ny fanadiha­diana mahakasika ny fidiram-bola sy ny vola mivoaka amin’ny tantsaha, ny manodidina ny tsena, ny fanaovana drafitrasa, ny vanim-potoana fambolena, sns.

Manentana ny mponina eny ifotony ny Komity miady amin’ny doro tanety (KMDT), hiarovana ny tontolo iainana, indrindra ny ady amin’ny doro tanety. Hiditra amin’ny vanim-potoana maintany mantsy izao, ka ilaina ny misoroka sy ny fomba hiadiana amin’ny afo. Voakasik’izany ireo kaominina any amin’ny faritra Anosy sy Androy.

Partager sur: