Hotontosaina anio sy rahampitso ny
fifaninanam-pirenena «Pureplay Football League (PFL)», taranja baolina kitra. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro amin’izany, ny fihaonan’ny AS Fanalamanga Atsinanana sy ny Ajesaia Bongolava. Hifanandrina amin’ny TFFC kosa ny Fosa Junior.
Hatao manomboka ny 18 marsa ho avy izao ny fampivondronana ireo Malagasy mpilalaon’ny Barea hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana, tafiditra amin’ny “fenêtre Fifa”. Tsiahivina fa hihaona amin’i Burundi i Madagasikara, ny 22 marsa ho avy izao ary hifandona amin’i Rwanda ny 25 marsa, samy eo Mahamasina.
Tafakatra hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja karate, Rakotobe Fenosoa, sokajy latsaky ny 50 kg, vehivavy. Anton’izany ny vokatra, nahazoany ny medaly alimo, nandritra ny Lalao Afrikanina farany teo, any Accra Ghana. Fifaninanana hatao afaka volana vitsy.
Niditra an-tsehatra, omaly, ny taranja Bras de fer, tanana havia, ao anatin’ny andiany faha-13, Lalao Afrikanina, atao any Accra, Ghana. Tsy nisy niakatra “podium” ny solontena malagasy fa resy teo amin’ny fifanintsanana avokoa. Hiditra amin’ny tanana havanana, ho amin’ny anio.