FANTINA sy FINTINA

 Anisan’ny mampihisatra ny fanenjehana mpitantana ambony eto amin’ny firenena ny olana ara-pitsarana sy ara-politika, araka ny nambaran’ny filohan’ny SMM, Andriantsihorisoa Mbintanarivo. Miantso ireo mpitsara namany koa izy mba hihaino ny feon’ny fieritreretany avy.
 “Misy antony ao matoa ny olona miteny hoe misy kajikajy politika ny fampitomboana ny isan’ny depiote hofidina”, hoy ny tomponandraiky ny serasera eo anivon’ny KMF/Cnoe, i Haja Nirina. Talohan’ny nivoahany aza, efa nandeha ny resaka hoe kajikajy politika matoa tratra aoriana ny famoahana ny isan’ny depiote hofidina ary ny hafa efa mety manomana…
 Antanimora Atsimo no nahazo distrika voalohany amin’izao fitondrana izao. Zava-dehibe izany, araka ny nambaran’ny kestora eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny depiote voafidy tany Ambovombe, i Henri Jean Michel. Mitombo izany ny isan’ny depiote ary efa ela Antanimora Atsimo no nangataka hahazo distrika vaovao.
 Namboly hazo teny amin’ny fokontany Ambohimahavelona, ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny sabotsy teo. Nitarika izany ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Tanjona ny hiarovana ny tanimbary sy ny vohitra amin’ny riaka. Hanara-maso izany kosa avy eo ny fokontany.
Partager sur: