Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina, ny fifaninanana “Tama Beach Volley”. Norombahin’ny ekipan’Analamanga ny amboara teo amin’ny sokajy Seniors. Ekipan’Atsinanana kosa no nandrombaka teo amin’ny sokajy U20, lehilahy.
Niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Echecs olon-tokana, ny faran’ny herinandro teo, any Ghana, Rakotomaharo Fy sy Aina Tsinjoviniavo. Nahazo isa 3/4 i Fy raha toa ka isa 1,5/4 kosa no azon’i Aina, mpilalao zandriny indrindra amin’
ity fifaninanana ity.
Hanomboka amin’ny 27 marsa izao ny fampiofanana “Young Coach” karakarain’ny federasiona malagasin’ny basikety. Hitety faritra ny fampiofanana ka ny faritra Anosy no hisitraka izany voalohany, ny 27 marsa hatramin’ny 2 avrily ho avy izao.