Misy hatrany ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny angano sy poezia, isan-taona. Hiavaka kokoa satria hatambatra ny fankalazana amin’ity, ary manerana an’ i Madagasikara izany.
Andro maneran-tany ho an’ny angano ny 20 marsa. Andro maneran-tany ho an’ny poezia kosa ny 21 marsa. Roa andro misesy, natokan’ny Unesco hanandratana ny literatiora. Ho an’ny eto Madagasikara, hatambatra ny fankalazana manerana ny Nosy. Hatao ho “Fetin’ny angano sy ny poezia”, araka izany, ny andron’ny rahampitso alarobia 21 marsa.
Hotontosaina etsy amin’ny efitrano fanaovan-danonan’ny Havoria, ao amin’ny foiben’ny Ofisin’ny Radio sy ny Television malagasy Anosy ny lanonana, manomboka amin’ny
9 ora maraina. Hifarimbona ireo fikambanan’ny mpiangaly angano sy ireo poeta, miaraka amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera amin’ny fanatanterahana izany.
Hisy, ohatra, ny fitantarana angano amin’ny fitenim-paritra maro eto Madagasikara. Toraka izany koa ny poezia amin’ny endriny maro. Hanehoana ilay fahasamihafana zary otrikarena eo amin’ny tontolon’ny literatiora manokana sy ny zavakanto amin’ny ankapobeny io. Hifantoka amin’ ny fifanakalozana eo amin’ireo mpiangaly angano sy ireo poeta amin’ny mpankafy izany kosa ny fotoana, aorian’ny lanonana ofisialy.
Hatao isam-paritra
Hisy manerana ireo faritra maro ny “Fetin’ny angano sy ny poezia”, toy ny any Alaotra Mangoro, Atsinanna, Bongolava, Anôsy, Melaky, Atsimo Atsinanana, Itasy ary Vakinankaratra. Ezahina hitovitovy ny endriky ny fankalazana, satria manana mpisehatra amin’ny angano sy ny poezia avokoa ireo faritra ireo.
Raha tsiahivina, tany amin’ ny taona 1991 tany no niorim-paka ny fanamarihana ny 20 marsa, ho an’ny fitantarana angano. Niitatra miandalana teny izany, ka ny taona 2003 no nambara ofisialy fa Andro maneran-tany ho an’ny angano io daty io. Efa ny taona 1999 kosa no nambara, nandritra ny fihaonana antampon’ ny Unesco, fa Andro maneran-tany ho an’ny poezia ny 21 marsa.
Zo ny Aina