«Tamin’ny voalohany», no nampisaloran’ny Tana Gospel Choir ilay seho fanombohana ny fanamarihana ny faha-20 taona nisiany. Nosafidian’izy ireo manokana tamin’izany ny Tranompokonolona Analakely, noho izy toerana niseharan’ny TGC voalohany. Nampanantena izy ireo nandritra io seho io fa hisesy ary ho maromaro, ny fampisehoana hanamarihana izany 20 taona an-tsehatra izany.
“TGC & Friends” ny manaraka, izay hotontosaina etsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny sabotsy 30 marsa izao, manomboka amin’ny 4 ora hariva. Araka ny anarany, hanasa ireo mpanakanto namany maromaro ny TGC mandritra izany. Misy amin’ ireo no efa nandalo tao amin’ny Tana Gaspel Choir fa nisampana ny lalana saingy hampiraisin’ny mozika hatrany. Ao koa ireo mpanakanto namana hatramin’izay, nanamarika ny 20 taona. Tsy mpihira fotsiny fa misy mpitendry ihany koa izy ireo. Anisan’ ireny ry Jao, Lovatiana, Rado Rakotomalala, Antsiva, Manou Radonason, Joosia Kennedie, Gerd Andrianary, Inah, Dominique Rakotonirina, Nomena Ramanalinarivo, Manitra Rabarisoa, Gérard Ratsimiseta, Joro Rakotozafiarison, Kanto Rakotomalala, Heman, Nate Tex, Mahery, Njaka Rakotonirainy, Anjatiana Andrianoroarivo, Fy Rajaofetra, Iary, Nanie, Stéphanie, sns. Haharitra ora maromaro ny seho, raha tarafina amin’ny isan’ireo mpanakanto nasaina fotsiny.
Zo ny Aina