Fampisehoan’i Niu Raza: niavaka tamin’ny fampianaran-kira ireo mpankafy tonga nanatrika

Tontosa omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto NiuRaza.
Tonga maro nankafy izany ireo tanora lahy sy vavy.

Nankafizin’ny maro ny hira nentiny an-tsehatra izay nampafana ny seho nandritra ny fizarana roa nifanesy. Toy ny “arendrina taratasy”, “only one”, “sipan’ Antananarivo” (nampandihy ny mpankafy rehetra), “ampy izay”, “Madagascar”… Nam­pia­vaka io seho nataony io ny nitondrany hira vaovao, nampitondrainy ny lohateny hoe: “if you let me” sy “bathroom floor” ary “homeless”. Tsy vi­tan’ny nampahafantatra sy nitondra ireo hira vaovao ireo izy fa nampianatra ny fiverenan-kira tamin’ny mpankafy ihany koa. “Mahay mihira sy mahay mampianatra hira vaovao tamin’ny mpanatrika ihany koa izy nandritra ny fampisehoana nataony ary mora hay izany”, hoy Rakotoarisoa Princia, tovovavy mpankafy. Manamafy izany ihany koa ny fahaizany manafangaro ny hirany amin’ny fiteny frantsay sy anglisy, mba hahafantaran’ ny any ivelany fa manan-talenta ny Malagasy mpanakanto. Nilaza izy fa nahafinaritra sy nankafizina ny tsy fisian’ny «playback» fa tena feony sy ny mpitendriny no nandravaka ny fiarahana.

Manampy hanana fahatokisan-tena ny tononkirany
Anisan’ny mpanakanto vao misandratra ary miavaka i NiuRaza raha oharina amin’ ireo tanora mpihira misy ankehitriny. “Mihirahira fahatany sy tsy misy heviny ny ankamaro­an’ny mpanankanto vao misandratra amin’izao fotoana izao fa mba te halaza fotsiny”, hoy hatrany Rakotoarisoa Princia. Misy ny mihevitra fa mankarary fo ny hira forononin’ity mpankanto iray ity.
“Diso izany satria mampazoto eo amin’ny fiainana ny fihainoana ny hirany. Mpan­kanto manampy be­tsaka ny olona hanana fahatokisan-tena ihany koa izy”, hoy hatrany ity tovovavy iray ity.

Mino

Partager sur: