Hiova ny toerana. Etsy amin’ny efitrano malalaky ny Havoria Anosy no hanatanteraka ny «Concert classique de midi» ny RE Ensemble, ny alarobia 27 marsa izao. Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-147 izy ity, raha ho an’ny Madagascar Mozarteum izay mpikarakara ny hetsika ho fampiroboroboana ny mozika klasika no asian-teny. Ny sanganasan’ireo andrarezina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, toa an-dry Gabriel Fauré, Arthur Foote, Howard Blake ary ny an’i José Elizondo no ho re eny an-toerana.
Hanomboka amin’ny 1 ora atoandro katroka ny kaonseritra. Ho tazana eny an-tsehatra avokoa izy dimy mirahalahy. Rado Rajaofera hitsoka «flûte», i Tiana Andrianina Ramanantsoa sy i Marius Rabemanana handidy ny «violon», i Nomena Anjarasoa hampangorintsina ny «viola» ary i Iavy Raobelison hampanakoako ny feon’ny «violoncelle».
Marihina fa tanora manan-talenta mahafehy ny fitendrena ny sanganasan’ireo mpamorona manana ny laza iraisam-pirenena, ireo mandrafitra ny RE Ensemble. Maro rahateo ny sehatra efa nanatanterahin’izy ireo fampisehoana.
HaRy Razafindrakoto