Faribolana Sandratra : nahatanteraka ny fanambiny

Hoy Ranoe : «Iainan’ny Faribolana Sandratra ny teny mba hanamasina ny taniny amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny literatiora». Raha io nambaran’ity mpanoratra anisan’ny nanorina ny Fari­bolana Sandratra, tany amin’ ny 35 taona lasa, io no iaingana ho fanamby. Nahatan­te­raka izany ny «mpiraifaribolana» nandritra ny Zarafanahy ma­no­kana sy ny Alimbetso no­tan­terahina ny sabotsy teo. «Raha ny natao hatramin’ izay, niantso ireo mpanoratra sy poeta avy any amin’ny fikambanana hafa izahay. Tamin’ity, ireo mpikambana tany amin’ny sampan’ny faribolana San­dratra manerana an’i Mada­ga­si­kara no vahiny sady tompon-trano», hoy ha­trany Ranoe. Tonga ny avy any Fiana­ran­tsoa, Betafo, Ma­hajanga, Ambositra, An­tsi­rabe, Mora­manga, Toa­masina, Ampara­fa­ravola, An­j­eva, Manjakan­driana… Sady nanome sehatra ho an’ny Faribolana San­dratra no nampiroborobo ny literationa ity Zarafanahy manokana ity.
Notohizana avy hatrany tamin’ny Alimbetso tany Am­bohimalaza ny fandaharam-potoana. Fotoana nanaovana jery todika ny asa vita, hanohizana ny tsara ary hanarenana ny lesoka. Nifanakaiky hatrany ireo «mpiraifaribolana» ka afaka nifanakalo hevitra.
Marihina fa isaky ny Zarafanahy, misy hatrany ny boky avoaka, mirakitra ny sanganasan’ireo mpanoratra nandray anjara tao anatin’izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: