Mpanakanto zanak’i Nosy Be, fa malaza hatrany ivelany amin’izao fotoana izao i Truong Huu Kha, fantatry ny maro kokoa amin’ny anarana hoe Rijade. Ho avy manokana hanafana ny “Pâques Tsinjaka Be”, izay hotontosaina eny amin’ny Club Nautique Ivato, ny alatsinain’ny Paka 1 avrily izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina izy.
“Nosafidiana manokana i Rijade noho izy miaka-daza be amin’izao fotoana, ary malaza manerana an’i Madagasikara ireo hirany faramparany. Nanaiky ho avy hanome fahafaham-po ny mpankafy rahateo izy”, hoy ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Global Action, izay mpikarakara.
Mivelatra ny sanganasan’i Rijade. Ahenoana ilay loko “tropical” ihany, kanefa mirona koa amin’ny mozikan’ny tanàn-dehibe. Mpikarakara fampisehoana sy niara-niasa tamina Malagasy mpanakanto sy vahiny maro mantsy ny ray aman-drenin’i Rijade. Anisan’ny hira nanombohany, ohatra, ny “Pardonne-moi”, tany amin’ny taona 2008 tany. Ilay hirany faramparany “Resy”, niarahany tamin’i CkyCky no mbola nanosika an’i Rijade ho anisan’ireo be mpankafy.
Zo ny Aina