TARATRY ny KANTO

Hotontosaina, anio, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fampiofanana dihy
« Perfect Your Dance ». I Axelle sy i Orlane, mpandihy manana ny maha izy azy no hizara ny traikefany mandritra izany. Hetsika iarahan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena miasa amin’ny federasiona malaga­sin’ny dihy ara-panatanjahantena.

Hotanterahina any Algérie, ny 15 – 20 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, sokajy lahy sy vavy, ho an’ireo mpilalao zandriny U16. Ankoatra izay, hatao ny volana jona ho avy izao ny “Billie Jean King”, ho an’ireo vehivavy mpilalao tenisy sy ny “Coupe Davis”, ho an’ny sokajy lehilahy.

Ho avy eto Antananarivo hitsidika ny kianjan’ ny Barea Mahamasina sy ny Elgeco Plus By- pass, ny Kaonfederasiona Afrikanin’ny baolina kitra (Caf) ny volana avrily ho avy izao. Araka izany, nodisoin’ny teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra ny filazana fa nesorin’ny Fifa ny fankatoavana an’ny kianja Barea.

Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, ny fihaonan’i Comores sy i Angola. Lalao notontosaina omaly, tany Comores. Tsiahivina fa i Comores no laharana voalohany ao amin’ny vondrona “I” amin’ity fiadiana ny tapakila hiatrehana ny « Mondial 2026” ity. Ny volana jona ho avy io, hihaona amin’i Madagasikara ity nosy rahavavy ity.

Partager sur: