Etsy Antsahamanitra no hankalaza ny jobily faha-35 taonany ny tarika Rebika, amin’ny Alatsinain’ny Paska ho avy izao. Fampisehoana goavana no hoentina hanamarihina izany. Anisan’ny nitety vanim-potoana ary tranainy indrindra ny tarika. Mbola manana ny maha izy azy sy maro mpankafy anefa izy ireo hatramin’izao. Mpanohana ofisialy ny hetsika izay hotontosaina ny orinasa Airtel Madagasikara.
Tsy nitsahatra nahazo ny fon’ny Malagasy ny tarika Rebika. Nilaza ny tomponandraikitry ny kolontsaina sy ny serasera ao amin’ny Airtel Madagasikara, Ramiandrarivo Jimmy, fa manohana hatrany ny finiavana mampanan-karena ny kolontsaina malagasy sy ny vako-pirenena izy ireo. Izay no antony hifampizarana amin’ny rehetra ity fankalazana amin’ny Alatsinain’ny Paska ity.
Mahasahana ny sokajin-taona rehetra ny hiran’ny tarika Rebika. Manome lanja ny mozika malagasy sy miantraika eo amin’ny fiarahamonina ny tarika izay mbola mitohy foana hatramin’izao. Nampanantena seho miavaka, sahala amin’ny nankafizana sy nahafantaran’ny rehetra azy hatramin’izay ny Rebika.
Lin