Fetin’ny Paska : miverina amin’ny lazany Antsirabe

Ho aiza ianareo amin’ny Paska? Antsirabe… Efa zary nahazatra ny sofina ny naheno io valinteny io tao anatin’ny taona maro. Nolalovan’ny valanaretina Covid-19 i Ma­dagasikara. Tsy tazana firy intsony io mampisongadina an’Antsirabe io. Nalaina ny mpikarakara hetsika kolontsaina. Nalaina ny mpanakanto, sns.
Taona 2024, miverina amin’ny lazana ny Renivohitr’i Vakinankaratra (Antsirabe). Nanomboka omaly, tonga maro be ny olona, na tsy mbola manomboka aza ny “fety”! Feno olona ny Araben’ ny Fahaleovantena. Niverina indray ilay fahitana ireo olona marobe avy any amin’ny manodidina an’Antsirabe, liana hijery sy handray anjara amin’ireo “fety” isan-karazany.
Marihina fa karazana hetsika kolontsaina maro avy hatrany no indray tazana eo an-tampon-tanànan’ Antsi­rabe. Izany hoe, tonga maro ihany koa ny mpikarakara fampisehoana sy lalao ary korana ankalamanjana na anaty trano… Anisan’ny mampiavaka ny fanamarihana ny Paska Antsirabe ho an’ity taona 2024 ity ny fisian’ny rindrankira ara-pilazantsara. Tsy nahazatra loatra izy io teo aloha, raha ny fanazavan’ireo efa manana fahazarana manamarika ny fetin’ny Paska any Antsirabe.
Fantatra fa ankoatra ireo mpanakanto ivelan’i Vakinan­karatra, anisan’ny vanim-potoana ivelaran’ny talentan’ireo avy ao an-toerana ny fetin’ny Paska. Tarika na mpanakanto maro avy ao Antsirabe sy ny manodidina no nahatazona izany lazany izany an-taona maro!

HaRy
Razafindrakoto

Partager sur: