Paka Antsirabe: mitoetra hatrany ny lazan’ny “Star Tour”

Tomefy olona hatrany! Tsy naharava ny fety ny orana latsaka fa nilanonana nandritra ny telo andro nisesy Antsirabe, nandray ny “Star Tour”.

Efa tafapetraka ny anarana. Tsy afa-misaraka intsony amin’ny fetin’ny Paka, izay efa mahoraka hatramin’izay eto Antsirabe, ny “Star Tour”. Telo andro an-danonana, nanomboka ny sabotsy ka nifarana omaly alatsinainy izany. Tomefy olo­na manoloana ny sehatra goavambe teo amin’ny Gara, ka hatreny amin’ny Hôtel des Thermes.

Nampiaina ny sehatra sady nanome fahafaham-po ireo mpialavoly ireo mpanakanto nantsoin’ny Star tamin’ity taona ity. Avy dia nafana ny andro voalohany, niakaran’i Wendy Cathalina. Liana te ahita sy hijery akaiky ity mpanakanto ity avokoa ireo mpijery izay tsy mbola nahita azy an-tsehatra. Mazava loatra fa nandrasan’ny maro koa ny tarika AmbondronA, izay tsy vaovao amin’ny “Star Tour” kanefa dia mahasarika mpankafy maro hatrany.
Nosembanin’ny orambe ny andro faharoa. Tsy nahasakana ny fety tsy hisy anefa izany, satria niverina marobe ireo mpialavoly vao nitsahatra ny orana. Tsy navelan’i Johanne hangatsiaka izy ireo, ary tsara koa ny fandraisan’ireo mpankafy an’ity tovovavy mpanakanto manana ny hoaviny ity. Sehatra efa mafana no novantanin’i Samoela, izay manaporofo indray fa mbola ao anatin’ny tsenan’ny mozika tanteraka izy. Nitodika kokoa tamin’ireo mpankafy azy hatrizay, ka namerina indray ireo hira efa tany amin’ny 25 taona lasa. Nandra-maraina ny fety ny alahady, satria notohizan’ireo mpikosoka kapila ny fanafanana ny sehatra.
Nanomboka atoandro kosa ny fety, ny alatsinain’ny Paka. Vory nanoloana ny gara avokoa, na tompon-tany, na vahiny na ireo mpitsangatsangana avy any ambanivohitra lavitra any. Voasarika tamin’ny fanentanana sy ny karazan-dalao nataon-dry Eric sy Honorat ary Bahrone ny rehetra. Nandrasana mafy ihany koa ny fiakaran-dry Oladad, izay efa nanamarika ny “Star Tour” tamin’ny taon-dasa. Nampientanentana ry “Sesily” sy ny “Afindrafindrao” nentin-dry Dadalo sy ny tariny.

Zo ny Aina

Partager sur: