“Mifampitantana 2024” : samy afapo ny rehetra

Tontosa ny alahadin’ny Paka, teny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny « Mifam­pitantana 2024 ». Fampise­hoa­na niarahana tamin’i Poo­py sy Bodo. Seho feno ary matihanina tanteraka no hita teny an-toerana. Samy afapo ny rehetra, na ny mpikarakara na ny mpanakanto nandray anjara, na ny mpijery. Mbola tena maro mpankafy ary mbola manana ny toerany eo amin’ny kanto malagasy tokoa raha i Bodo sy i Poopy.

Nifampitantana, niara-nankafy indray ny hira sy ny kanto nahafantarana azy ireo hatramin’izay ny mpankafy Bodo sy Poopy. Nokaloina nandravaka sy nanomezana fahafinaretana ho an’ireo mpankafy tonga ireo hira nahafantarana ireto mpanakanto ireto hatramin’izay. Araka ny maha mifampitantana ny fampisehoana, nisy ny fampiaraham-peo sy firaisana an-tsehatr’ireto mpanakanto anisan’ny sangany eo amin’ny kanto malagasy ireto, ankoatra ny fihiran’izy ireo ny hirany avy.

Amin’ny maha fampisehoana feno azy, nampiavaka azy ity ihany koa ny haingon-tsehatra sy ny jiro maroloko nanaingo izany.

Lin

Partager sur: