Babon’ny fahaizan’ireo ankizy nikarakara sy nahandro ny soanambo ny Cheffe Henintsoa sy ny mpikarakara… Nandritra ny hetsika “Lakozia mitety sekoly” tany Vatomandry no nahitana izany fanomezan-kasina ny harembakoka sy ny fahaiza-mahandro izany!
Tanjon’ny “Lakozia mitety sekoly” (LMS) ny fanabeazana ny ankizy momba ny harembakoka fonosin’ny fahaizana nahandro malagasy. Manana endrika fifaninanana eny anivon’ny sekoly fanabeazana fototra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana fa indrindra ireo sekoly mpikambana eo anivon’ny “Réseau du système des écoles associées à l’Unesco” (RéSEAU) izy ity. Ho an’ny taona 2024, tontosa tany Vatomandry, ny 26 marsa teo, ny “LMS”, noho ny fiaraha-miasan’ny Cisco sy ireo tale eo anivon’ny EPP Ambilakely, Vohitsara ary Centre Ville sy ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco (ComNat Unesco) izay misy ny RéSEAU ary ny Cheffe Henintsoa Moretti avy ao amin’ny Haka Fy Authentic Restaurant. Nandritra ny fifaninana no nanentanan’ireo mpikarakara ny hampiasan’ny ankizy ny vokatra tena malagasy hita any amin’ny faritra misy azy tsirairay.
Nankasitrahana ireo mpandray anjara
Nandritra ny hetsika “Tsikonina” natao tao amin’ny Hôtel Restaurant Casodoro Vatomandry, notoloran’ny ComNat Unesco sy Cheffe Henintsoa loka manokana ireo 3 voalohany tamin’ireo vondrona miisa 6 izay nisy ankizy 6 avy. Noho ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka tsy miankina amin’ny fanjakana, nahazo fahatsiarovana avokoa ireo 36 mianadahy nandray anjara. Notolorana mari-pankasitrahana ihany koa ny Cisco sy ny EPP Ambilakely, Vohitsara ary Centre Ville.
Ny fiarovana sy ny fikajiana ny harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona, anisan’ny laharam-pahamehan’ny Unesco. Noho izany, ataon’ny mpandrindra nasionalin’ny RéSEAU ao amin’ny ComNat Unesco sy ny Cheffe Henintsoa vaindohan-draharaha ny fanohizana ny “LMS” any amin’ny faritra maro.
HaRy Razafindrakoto