Mbola ho ela vao ho tapitra ny fotoana hametrahana ny fahazoan-dalana hilatsaka hofidina depiote. Asa nahomby ny fampiakarana ilay anto-bola ho 20 tapitrisa Ariary. Hatramin’ny omaly, mbola tsy nisy ny nametraka ny antontan-taratasy eny amin’ny ankamaroan’ny birao fandraisana izany. Tsy marisika sa tsy manam-bola?
Toa mifampatahotra ireto mpanao politika. Mifampitazantazana aloha ny mpifanandrina hitsapana ny halalin’ny rano. Henjana be rahateo raha sanatria very vola. Izay lasa any rahateo tsy hisy hiverina. Tsy moramora rahateo ny ankamely sy ny fingampingana mivantana sy ankolaka eny an-dalana rehetra eny.
Iaraha-mahalala rahateo ny paikady politika misy, ankehitriny. Tsy natao ho an’ny kely vovokaina. Adin’ny samy goavana sy matanjaka. Izay tsy mahazaka sy mora tohina, aleo mikisaka moramora. Na ny mpanohitra na ny mpitondra, samy misikimponitra ny hahazo ny maro anisa. Manan-danja lehibe io fifidianana solombavambahoaka io amin’ny fihozongozonana na ny ho fahamarinan-toeran’ny fitondrana.
Izay mahazo ny maro anisa eny Tsimbazaza no ho tompon’ny tanàna sy hilalao ny baolina. Iza no tsy maniry hibaiko sy afaka hifehy ny mpanatanteraka izany. Manginy fotsiny ny tombontsoa sy tombon-jo mihoa-pampana an’ny depiote. Manodoka sy mandroboka toa mena miraviravy. Raha vao tsy mandinika lalina anefa mijabaka any anaty lavaka.
Tsy an-jaza io fifidianana amin’ny 29 mey io. Hangotraka ny fampielezan-kevitra. Ho maro ny jodasy hamadika namana. Ho betsaka koa anefa ny mpifahavalo ho lasa mpinamana. Samy hanovokovoka amin’ny handrombahana fandresena. Tsy misy hanary vola na hanao fafy katrana izay nisasarany. Hiady hatramin’ny farany ary tsy hanaiky ho resy mora.
Eo indrindra no ilana fitandremana goavana satria hampanahy ny ho fifamaliana faty, indrindra aorian’ny famoahana ny voka-pifidianana. Aleo tsy manao rehefa kely ny herijika fa tsy hamboly korontana.
r.r




