Raboussa – Samoëla : Andiany faharoa ny « Am-pitiavana be »

Hipoka Antsahamanitra, tamin’ny 2 taona lasa… Hisy andiany faharoa ny seho « Am-pitiavana be », izay hatao ao ihany, ny 21 avrily izao. « Ilay fiarahana an-tsehatra nataon’i Samoëla sy Raboussa ihany, fa ampiantsika an-dry zalahy Krutambull amin’ity », hoy ny fanazavan’i Sylvanno Ratsimandresy, mpikarakara avy ao amin’ny SR Pro, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny Urban Hôtel Ambatonakanga.
« Daty tokana ao Antsahamanitra io amin’ity taona ity ho anay. Efa mandeha io fa mbola hatao tsara kokoa », hoy i Samoëla. « Izay tao tamin’ny voalohany dia efa mahalala hoe ohatran’ny ahoana izany. Hiverenana kely ireo hira taloha fa hitondra ny vaovao ihany koa izahay », hoy kosa Raboussa. « Inoana fa hitondra zava-baovao ao izahay satria izahay no vaovao amin’ity. Tsy handiso fanantenana fa revy mifameno ireo », hoy kosa ry zalahy Krutambull.
Samy hanana ny anjara fampisehoany avy ny tarika. Hisy koa ny fampiarahana an-tsehatra eo amin-dry Raboussa sy Samoëla. Hampiakatra ny hafanana amin’ny voalohany sy hitana izany isaky ny fifandimbiasana an-tsehatra i Yann Loïc, mpikosoka kapila.

Nangonin’i HaRy Razafindrakoto

Partager sur: