Hanantanteraka seho goavana, andiany fahenina, etsy Antsahamanitra ny tarika Reko, ny alahady ho avy izao. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fahadimy taonan’ny tarika sy ny fitetezam-paritra 2024 izany. Ahitana fizarana roa lehibe ny seho atao mandritra io andro io. Hiavaka satria hisy ny fampiaraham-peo amin’i Mirado sy Bolo ary ny mpankafy. Hisy ihany koa ny fanangonana boky fitaizana sy fanabeazana avy amin’ny mpankafy eny an-toerana. “Tsy zavakanto ihany ny hira aminay fa misy fanabeazana ihany koa ao anatiny. Anjara biriky entinay ny fanangonana boky fitaizana sy fanabeazana eny an-toerana avy amin’ny mpankafy”, hoy i Fy, filoha sy mpitarika ny tarika, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tetsy Ambatonankanga, omaly. Nilaza izy fa zava-dehibe sy antoky ny fampandrosoana ny vaky boky ka antony hanangonan’ny tarika izany amin’ny sehatra izay aleha. Hozaraina amin’ny ankizy sy ny tanora any anivon’ny toerana na faritra tsy manana fahafahana mividy boky ny tolotra. Toy ny sekoly, ivontoerana fananeranana zaza maditra, fitaizana zaza kamboty… Hiampita any ivelany ny tarika aorian’ity seho ity. Hiverina eto an-tanindrazana indray amin’ny volana jona hanohy ny fampisehoana. Ezaka ataon’izy ireo ny hitety faritra maro tsy mbola nandehanan’ny tarika. Misy ny tohana sy fiaraha-miasa amin’ny Telma sy ny Allianz ahafahana manatanteraka izany.
Mino




