TARATRY ny KANTO

“Manosika ho tomponandraikitra hampandroso ny fiarahamonina misy azy, hatrany amin’ny firenena ny fahafantarana ny tantaram-pirenena”, hoy Ran­driamahefa Alex, Mpahay tantara, nandritra ny fampahafantarana ny boky “Ny Valamparian’i Bebe”. Manana anjara lehibe amin’izany ny boky hahafantaran’ny ankizy sy tanora ny tantarany.

Manao tohivakana ireo mpanakanto manana ny maha izy azy, eo amin’ny tontolon’ny Jazz, tonga sy manao fampisehoana eto Madagasikara. Taorian’i Raul Rodriguez sy Christian de Moret, hanatanteraka fampisehoana ihany koa i Nicola Conte, ny 6 avrily 2024, eto Antananarivo.

Ny 6 avrily izao, amin’ny 4 ora tolakandro, no hanatanterahana ilay fifaninanana mitendry piano. Tsy fahita matetika eto Madagasikara ny hetsika tahaka izao. Manamarina izany ny fandraisana anjara lehibe hoentin-dry zareo Soisa amin’ity “Concert de réstitution Concours de piano”, hotontosaina ao amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ity.

Na olona tia mihomehy aza ny Malagasy, tsikaritra fa tsy manana ny lanjany loatra ny tontolon’ny fampihomehezana eto Madagasikara. Mihavitsy ny mpanakanto na mpanatalenta mirotsaka amin’ity kanto iray ity. Vitsy manaraka ihany koa ny fampisehoana ahitana hatsikana ranoiray!

Partager sur: