Fivoarana: Tratry ny « bekorontana » ny hira malagasy

« Sarotra ny mitsara ny zavakanto », hoy ny fomba fitenin-dry zareo tandrefana. Ho an’ny firenena tatsinanana, tsy mitombina io. Rehefa manitsaka na mandika na ma­nimba ny soatoaviny, tsy an­katoaviny ho zavakanto velively. Ho an’ny hira manokana, tafiditra lalina amin’ny fampiasana ireo teknolojia vaovao ihany koa ny Malaga­sy. Tsy voatana intsony ilay fananana fototra (feo, tonony, votoatiny) matanjaka fa nosaronan’ny zavamaneno sy ny pitsopitsony isan-karazany. Saika miantehitra amin’ny fampiasana ireny zavamaneno mahatafavoaka feo maro ireny ny mpihira na mpitendry na ny mpandrindra, hany ka very ilay « fanahy » ao anatin’ny hira iray. Tratry ny « bekorontana » !
Antony iray mampidina tsikelikely ny fitaizana azo avy amin’ny fihainoana hira ma­lagasy io tranga io. Hamaiva­nin’ny « bekorontana » ilay fanahy famoronana, satria, voabaikony avokoa na ny mpamorona ny feony sy ny tonony, ny mpitendry, na ny mpandrindra.
Vokany, tsy mateza, tsy mahatety vanim-potoana ny ankamaroan’ny hira noforonina nanomboka ny taona 1990!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: