Mitohy ny hetsika karakarain’ireo tomponandraikitra eo amin’ny tontolon’ny Jazz. Nizara ny fahaiza-manaony ireo teratany vahiny manana ny maha izy azy eo amin’ity gadona ity .
Tontosa omaly, teny amin’ ny Ivokolo Analakely, ny atrikasa mahakasika ny fitendrena zavamaneno, eo amin’ny tontolon’ny mozika Jazz. Teratany vahiny miisa telo, sangany amin’ny fitendrena zavamaneno mampiavaka azy avy no nitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany. Ny fikambanana Nosy Boraha Festival niaraka tamin’ny Jazz Club CGM no nikarakara ity hetsika ity. Tsy nanadino ny mpankafy sy mpiangaly Jazz eto Antananarivo ny mpikarakara, taorian’ny fahombiazana nandritra ny Nosy Boraha Festival farany teo.
Anisan’ny volana natokana hankalazana manokana ny Jazz ny volana avrily. Maro ny hetsika karakarain’ireo fikambanana misehatra eo amin’izany gadona izany ho fampiroboroboana sy fanandratana ity gadona ity. Anisan’izany ny atrikasa niarahana tamin’i Edmundo Carniero sy i T. Time ary i Pierre Baillot. Edmundo Carneiro izay anisan’ireo mpidoboka amponga “Percussion Brésilien” mampiaiky ny maro. Ny fitendrena gitara kosa no tena ahafantaran’ny mpisehatra eo amin’ny Jazz an’i T. Time. Nizara ny traikefany nandritra ity atrikasa ity ihany koa i Pierre Baillot, mpitsoka Saxe.
Amin’ny maha atrikasa azy ity, ireo singa fototra ahafahana mifehy ireo zavamaneno no nampahafantarina ny mpanatrika. Teo ihany koa no nizaran’ireto mpanakanto vahiny, nasaina itarika ny atrikasa, ireto ny tsiambaratelo nampahomby sy nahatonga azy ireo eo amin’izao sehatra izao. Nanambara kosa izy ireo tamin’izany fa anjaran’ny tsirairay ny manitatra sy mitrandraka ny talentany avy amin’ny alalan’ireo singa nomena ireo.
Lin