Anisan’ny nitondra fampianarana sy nizara ny traikefany mahakasika ny mozika matihanina sy avo lenta ihany koa ny tarika Ibiyewa, avy any Allemagne, omaly, teny amin’ ny Centre de ressources des arts actuels de Madagascar (CRAAM) Ankatso. Ireo singa mety hotsinontsinoavin’ny mpanakanto ao anatin’ny hirany no nampahafantarin’ireto tarika ireto. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, tanjona ny hisian’ny feon-kira tena mamoaka izay mahakanto azy izay.
Ireo tetika, ny figadona sy ny feo ary ny fandrindrana ny mozika no nozarain’ny tarika Ibiyewa, teny an-toerana, ho an’ ireo tonga niatrika ny hetsika fifampizarana natao. Anisan’ny singa ireo hitaomana ny olona hankafy ny feon-kira, hoy izy ireo. Nampianarina nandritra izany ihany koa ny tetika fijerena ny feon-kira tokony ho ampiasaina sy ny figadony, araka ny zava-misy sy ny olona kendrena. Manampy ireo ihany koa ny feo, ary farany sy tena lehibe indrindra ny fandrindrana ny feo sy ny feon-kira. Ireo tetika mampahomby rehetra ireo no nampitain’ity tarika ity.
Maro samihafa ny hetsika hotontosain’ny tarika, ao anatin’izao fandalovany eto Madagasikara izao. Ankoatra iny notanterahina teny Ankatso iny, hisy ny fampisehoana hotontosain’ny tarika, anio sy rahampitso.
Lin