Tanterahina manomboka ny 16 avrily 2024, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny “Lire en fête”, andiany fahenina. Lohahevitry, mandritra izany, ny “Les mondes inexplorées de la littérature”. Hetsika maro no handravaka azy. Eo ny fihaonana amin’ny mpanoratra, tafa sy dinika ary varotra boky isaky ny karazany avy.
Fampisehoana miavaka no ho hita ao amin’ny Piment Café Behoririka, anio. Sahala amin’ny omaly, hiray sehatra ao amin’ity toeram-pilanonana ity i Lalatiana sy Rija Ramanantoanina, otronin’i Weaver Trio sy Joro Rakotozafiarison. Samy hahazo ny anjarany avokoa ny sokajin-taona rehetra mandritra izany.
Hisy ny hetsika karakarain’ny mpiangaly sy mpankafy Cajon, eto Madagasikara. Misehatra eo amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ihany koa izy ireo, ankoatra ny eo amin’ny sehatry ny kanto. Hisy, araka izany, ny fampahafantarana ny fanamboarana ny Cajon, amin’ny alalan’ny fanodinana ireo akora fototra, ny sabotsy izao, eny Amparibe.
Raphaël Sudan no hanatontosa ny “148ème Concert classique de Midi”, tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Analakely, ny 9 avrily 2024 tolakandro. Fantatry ny maro amin’ny fitendrena Piano moa ity mpahay kanto vahiny ity. Misokatra ho an’ny rehetra ary maimaimpoana tanteraka ny fampisehoana.