Tontosa omaly, tetsy Antsahamanitra, ny fampisehoana goavana nataon’ny tarika Reko. Natrehan-dry Mirado sy Bolo, mpanakanto nasaina. Tonga maro nanatrika ny seho teny an-toerana ireo tanora lahy sy vavy, mpankafy.
Nafana ny fiarahana teo amin’ny mpankafy sy ireo mpanakanto nandritra ny seho. Tsy nijanona ny fanarahana sy fampiaraham-peon’ny mpijery tamin’ireo mpankanto. Afapo ny mpanatrika tamin’ny ankapobeny, satria nampifaly sy namaly ny hetahetan’izy ireo ny seho tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy afaka tao am-bavan’ny maro ny hiran’ny tarika sy ireo mpanakanto nasaina. “Karakaraiko ianao sombiniaiko”, “avereno”, “andao”, “misia”, “mitonia”, “hatraiza”, “tiako ianao”, “reo fitiavako”…Anisan’ireo hira nohirain’ny tarika, tsy afaka am-bavan’ny maro. “Voninahitra be ho anay ny mampiara-peo amin’ny tarika Reko”, hoy i Bolo nandray anjara tamin’ny fihirana nanomboka tamin’ny 5 ora sy fahefany hariva. Nitondrany ny hira mampiavaka azy, tena nankafizin’ny mpijery. Toy ny “rehefa tiana”, “anamalaho”, “ravitoto”… Nandray anjara tamin’ny fihirana sy ny fiakarana an-tsehatra nandritra ny fizarana voalohany i Mirado.
Mafonja
« Efa ela no nanaraka ny tarika Reko, nampirisika ahy nanatrika ny fampisehoana ny fisian’ny mpanakanto hafa nasain’izy ireo », hoy Andriamananaharisoa Zohasina, mpankafy nanontaniana. Nambarany fa tiany daholo ny mpanakanto malagasy rehetra fa miavaka amin’ny maro ny tarika Reko ka antony hankafizany azy. Mampiavaka ny tarika Reko ary antony hankafizan’ny maro azy ny gadon-kira mifangaro ataon’izy ireo. “Ankoatra izay, mitondra hafatra goavana sy tsapa hoe iainana ny tononkiran’ny tarika, raha oharina amin’ny mpankanto hafa”, hoy i Najoro, mpankafy hafa. Mba hisandratra amin’ny avo sy ho mpanakanto ho reharehan’ny firenena hatrany ivelany ny tarika. Ankoatra ny fanangonana boky avy amin’ny mpankafy, namidy teny an-toerana ny rakikira roa samihafa, carnet, tee-shirt hahafantarana sy mampiavaka ny tarika.
Mino