Fampisehoana talenta, tontosa tetsy amin’ny IFM Analakely, ny sabotsy teo, ny fihaonana mahakasika ny poezia slam. Hetsika nokarakarain’ny Madagaslam, sampana Antananarivo. Maro ireo nandray anjara tamin’izany, nahitana ankizy sy tanora ary olon-dehibe. Maimaimpoana ny hetsika ary anisan’ny nahasarika olona maro.
Dihy nampisehoana ny andron’ny faha-mpanjaka. Naseho an-dapihazo tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM), ny faran’ny herinandro teo, ireo dihy nanamarika ny tantaran’ny faha-mpanjaka. Nanafana ny seho tamin’izany ny tarika Poly-D. “L’histoire et la danse”, no lohahevitry ny hetsika.
Ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Nomena sehatra tamin’ny antsa “slam” ireo tanora liana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Natao tetsy amin’ny Amphithéâtre St Michel Amparibe, ny faran’ny herinandro teo, ny fifaninana mahakasika izany. Hetsika nokarakarain’ny Esic Event, nampitondraina ny lohateny hoe : « slam’in ».
Lasa miteraka resabe sy takoritsika ny fampiasana ny teknolojia eo amin’ny tontolon’ny hira. Nafanavay tato ho ato ny fanakianana mahazo ireo mpihira sy mpitendry zavamaneno mampiasa ny « autotune », na ilay fitaovana ahafahana manitsy ny diso, mampifandrindra ny tsy mifanaraka. Rehefa tomorina akaiky, vokatry ny fampiasana azy io, toa hadino ny fananana talenta!