Tsikaritra ny firoboroboan’ny sehatry ny sarimihetsika ankehitriny. Mivelatra manaraka izany ihany koa ireo hetsika entina ifaneraserana sy ifanakalozan’ireo samy eo amin’izany tontolo izany. Anisan’izany ny FIFOI, izay hetsika vaovao mampiray ny mpiangaly sarimihetsika aty amin’ny ranomasimbe Indianina.
Tanterahina ao amin’ny Nosy La Réunion, nanomboka omaly hatramin’ny 12 Avrily 2024, ny Festival international du film de l’océan Indien (FIFOI), andiany voalohany. Ny firoboroboan’ny sehatry ny sarimihetsika aty amin’ny ranomasimbe Indianina no antony nahatonga ny tomponandraikitra hikarakara ity hetsika ity. Tanjon’ny mpikarakara ny hahatonga azy ity ho toerana hihaonana sy hifanakalozana ary hisokafan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpisehatry ny tontolon’ny sarimihetsika aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Misy ihany koa ny fifaninanana ao anatin’izao hetsika izao, ary anisan’ny misolontena an’i Madagasikara ao anatin’izany i Hachimiya Ahamada sy i Lova Nantenaina, amin’ny alalan’ny sarimihetsika notontosain’izy ireo avy.
Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny mpiangaly sy mpankafy sarimihetsika aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ny ao La Réunion, nanomboka omaly. Mpanatontosa sy mpisehatra avy ao La Réunion, Maurice, Inde, Madagasikara, Mayotte, Comores, Zanzibar, Kenya ary Afrika Atsimo no handray anjara amin’izany. Lova Nantenaina no any amin’ny fifaninanana horonantsary fanadihadiana, amin’ny alalan’ny “Sitabaomba, chez les Zébus francophones ». Hachimiya Ahamada no misolontena antsika eo amin’ny fifaninanana sarimihetsika miaraka amin’ny sarimihetsika notontosaina « Zanatany, l’empreinte des linceuls esseulés ». Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ireto Malagasy ireto. Ho an’i Hachimiya Ahamada. Hiatrika ny «Afrika Film Festival Leuven», any Belgique indray mantsy izy, ny 20 avrily 2024. Ho an’i Lova Nantenaina kosa, anisan’ireo horonantsary fanadihadiana handeha mandritra ny “Doxa Documentary Film Festival” ny horonantsary fanadihadiany.
Lin