Hanomboka anio ny fankalazana ny Alahamady. Vohitra maro eto Imerina no mbola mankalaza izany, indrindra ireo any ambanivohitra lavitra. Ho an’ny eny Anosimanjaka manokana, hisy ny arendrina toy ny mahazatra, anio alina. Rahampitso kosa ny ivon’ny fankalazana, eo an-kianja. Hofaranana amin’ny ady hiragasy izany ny alakamisy.
“Les soirées classiques”. Io indray ny tolotra omen’ny Madagascar Mozarteum ny 12 avrily sy ny 19 avrily izao, etsy amin’ny IFM Analakely. Ny 12 avrily, ahitana an’i Faniry Rakotoarison, Miravo Ramarolahy (orga) ary ireo mpifaninana mendrika tamin’ny Cnapmad 2024. Ny 19 avrily, hiarahana amin’i Narimanana sy ny gitarany, Ré Ensemble ary ny Hiraitra sy ny feo kanto.
Efa manomana ny hivoahan’ny boky « I Velonjara sy ny ranomasina », indray ny avy ao amin’ny Edisiona Jeunes Malgaches. I Arikaomisa Randria no niandraikitra ny fanoratana ity boky ity, ary i Max Razafindrainibe no nanao ny sary. Bokim-panabeazana hatrany no vokarin’izy ireo ary vao ny faran’ny volana marsa teo izy ireo no namoaka boky.
Tanterahina ny 11 avrily 2024, eny amin’ny AFT Andavamamba ny atrikasa fanaovana hosodoko, iarahana amin’ny fikambanana Plum’art. Misokatra ho an’ny rehetra ny atrikasa ary maimaimpoana. Ankoatra ny atrikasa, hisy ny fifampizarana eo amin’ireo mpanao sary matihanina.