Hisy fiatraikany lehibe amin’ny famokarana eto an-toerana, indrindra ho an’ireo tantsaha, ny fanampiana nomen’ny Sinoa. Izy ireo izay efa niara-niasa tamin’i Madagasikara an-taonany maro, indrindra teo amin’ny sehatry ny fambolena.
Tontosa tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 9 avrily 2024, ny lanonana nanaovana sonia ny fifanarahana famatsiam-bola tsy averina avy amin’ny firenena sinoa, ho famatsiana zezika hoentina mampitombo ny famokarana eto Madagasikara. Nanolotra sy nanao sonia ny fifanarahana i Ji Ping, masoivohon’i Chine, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, teo anatrehan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Mahatratra any amin’ny 2 000 taonina any ireo zezika ireo, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fambolena, Ratohiarijaona Rakotoarisolo Suzelin. Ireo faritra niharam-boina, nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Gamane no ho laharam-pahamehana amin’ ny fahazoana izao fanampiana izao, araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena.
Mitohy ny fiarah-miasa
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine. Vonona ity firenena ity hanolo-tanana an’i Madagasikara amin’ny vina samihafa, indrindra ny eo amin’ny sehatry ny fambolena. Anisan’izany ny vina amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Eo ihany koa ny hiverenan’i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe Indianina eo amin’ny famokarana, indrindra ny vary. Tsikaritra ihany koa ny tsy fahampian’ny zezika ho an’ny tantsaha, araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena. Misy ny paikadin’ny fanjakana hanamorana ny fahazoana masomboly sy zezika, manampy amin’ny fanatanterahina izao fanampiana avy amin’ny Sinoa izao.
Hitohy ary hihatsara sy hivelatra amin’ny sehatra maro samihafa ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Hisy ny fihaonambe «Forum Chino Africain»,
amin’ny enim-bolana faharoan’ity taona ity. Hatao izany hijerena ireo fiaraha-miasa laharam-pahamehana eo amin’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine sy ireo firenena Afrikanina.
Lin