Efa samy vonona ny rehetra, na ny mpahay kanto, na ny mpankafy azy. Vokatra vaovao, tsy miala amin’ny nankafizan’ny maro azy hatramin’izay no andrasan’ireo mpankafy , izay efa niomanan’ny mpahay kanto ihany koa.
Tanterahina manomboka anio, hatramin’ny 20 mey 2024, eny amin’ny Galerie d’Art R. R. Raparivo, Ivokolo Analakely, ny rantin-tsarin’i Laila, Malagasy mpahay kanto, mpiangaly hosodoko. «Fatotra safidy», io no lohateny nampitondraina ity fampiratiana ity. Hiranty ao an-toerana, araka izany, ireo haikanton’i Laila, mifototra amin’io lohahevitra io. Amin’ny ankapobeny, ny fanaovana sarin’olona no tena mampiavaka ity Malagasy mpahay kanto iray ity ary sary sahala amin’izany avokoa no hita mandritra ny fotoanan’ny hetsika.
Mitohy hatrany ny ezaky ny minisitera miandraikitra ny haikanto sy ny manodidina izany amin’ny fanomezana tosika ireo mpahay kanto isan-karazany.
Ambohimpihaonan’ny fianakaviamben’ny hosodoko, indrindra ny mpankafy an’i Laila, ny eny amin’ny Ivokolo, anio. Laila, fantatry ny maro amin’ny anarana entiny eo amin’ny zava-kanto hoe Lailabavy, no handranty ny asa tanany sy ny talentany. Sary hosodoko am-polony no aranty ao anatin’ity lohahevitra “Fatotra safidy” ity. Misokatra ho an’ny rehetra, ary maimaimpoana ny hetsika. Efa antaonany maro no niangaliny ny fanaovana sary hosodoko ary 5 taona izao no nidirany teo amin’ny sehatry ny matihanina. Ny fananany ny mampiavaka azy sy ny traikefany dia anisan’ny nahazoany fanohanana avy amin’ny minisitera ihany koa.
Fampiratina maro samihafa, teto an-toerana, hatrany ivelany no nandraisany anjara. Anisan’ny lehibe tamin’izany ny “Madagasc’art dans ce monde”, natao tany Paris, niarahany tamin’ny mpahay kanto kalaza sy manana ny maha izy azy. Nahafantaran’ny maro azy ihany koa
ny fampiratiana “Femme en rose”, nambabony sy nakan’ny fon’ny mpankafy hosodoko, na dia anisan’ireo vao nisandratra azy izy tamin’izany.
Lin