«Ingahy Emmanuel» na i «Emmanuel» na Andriamahefa Emmanuel. Samy anarana nahafantarana azy teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy sy ny fiseraserana teny anivon’ny fiarahamonina avokoa ireo. Araka ny vaovao nampitain’ny tambanjotran-tserasera maro, nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-63 taonany i Emmanuel. Ny taona 2022 izy no efa nandia tsy fahasalamana, raha ny nambaran’ireo niara-nilalao sarimihetsika taminy tao amin’ny trano mpamokatra Scoop Digital.
«Olona tsotra be sy tsy mba manana olana tamin’ireo namany i Emmanuel. Mahay mifandray amin’ny rehetra izy. Be fandeferana», hoy i Arikaomsa Randria, iray amin’ireo niara-nilalao ny sarimihetsika «Safelika» taminy. Ankoatra izay, «mahay mihira i Emmanuel. Ilay sarimihetsika «Malok’Ila» kosa no tena nahafantarana azy sy nampisongadina ny talentany», hoy hatrany i Arikaomsa. Ny sabotsy izao, eny Ambohipanja Ilafy no hanatanterahina ny fandevenana.
Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Emmanuel sy ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy ny Gazety Taratra.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto