Nan’s Prod : hitondra rivo-baovao ho an’ny tsenan’ny mozika

Nitombo iray ny isan’ireo trano mpamokatra mozika eto Madagasikara. Nampahafan­tatra ny antom-pisiany, ny asa iandraketany, ny tanjona tian-kotratrarina ary ny vina ana­tin’ny fohy sy ny lavitra ezaka ny Nan’s Prod, ny talata teo, tetsy amin’ny Kudeta, Carlton Anosy.
«Hitondra rivo-baovao ho an’ny tontolon’ny mozika no tanjona. Hanohana ireo mpanakanto sy hampahafantatra ny vokatra atolotr’izy ireo, na eto an-toerana na maneran-tany», hoy ny filazan’i Na­tacha Ratsimbason, tale jeneralin’ity trano mpamokatra ity.
Tarika 5 avy hatrany no nanao sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’izy ireo sy ny Nan’s Prod. Mash­manjaka, Olo BLaky, Riny, Jack’Dad, ary ny tarika Tsiok’ Ampita. Samy manana ny gadona ivelarany ireo : pop, rock, mozika an-tanàn-dehibe, sns. «Tsy misy hoe masontsivana be fa mifototra amin’ny fifampitokisana ilay fiarahana. Misy mpanakanto efa nisehatra 20 taona, saingy niato kely. Misy ireo tena vao manomboka mihitsy amin’izy ireo. Tsy feranay ny fiaraha-miasa fa mila mifampizaha toetra ka rehefa mifandray ny tadin-dokanga dia mitohy ny fiaraha-miasa. «Mamokatra ny rakikira sy ny rakitsary izahay. Manampy ihany koa ireo mpanakanto amin’ny fanapariahana ny mozikany, ny famolavolana ny lafiny ara-kanton’ny tarika ihany koa», hoy ny nambaran’i Li Andria­nasolo, tompon’andraikitry ny serasera. Nohamafisiny fa miainga amin’ny nofinofy, narahina fahasahiana sy fanantenana hoe afaka mitondra anjara biriky lehibe amin’ny fampandrosoana ny kolontsaina,
amin’ny alalan’ny mozika ny Nan’s Prod. Hiezaka izy ireo hampivelatra ny mozika ma­lagasy manerana ny Nosy hatrany ivelany any.

Zo ny Aina

Partager sur: